![]() |
[Home]
[Databases]
[WorldLII]
[Search]
[Feedback]
La Haute Cour Constitutionelle du Madagascar |
[Database Search] [Name Search] [Recent Decisions] [Noteup] [Download] [Help]
Hevitra laharana faha 01-HCC/AV tamin’ny 16 may 2007
momba fivoasana fepetran’ny Lalàmpanorenana
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,
Araka ny Lalàmpanorenana;
Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001 anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana;
Rehefa nohenoina ireo mpampakateny;
Rehefa nifampidinihana araka ny lalàna;
Satria araka ny taratasy laharana faha 078-AN/P/SG tamin’ny 01 may 2007, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenenan dia nangataka ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hanome ny fivoasana ny fepetra voalazan’ny andàlana faha-4 amin’ny andininy faha-68 amin’ny Lalàmpanorenana;
Satria ara-dalàna ary azo raisina ny fangatahana nataona Lehiben’Andrimpanjakana;
Satria araka ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha-68, andàlana faha-4, ao amin’ny Lalàmpanorenana: “Tsy maintsy manatrika ny fivoriana izy (ny solombavambahoaka). Foana avy hatrany ny tambinkaramany raha tsy misy fanamarinana ny tsy fahatongavany”;
Satria, raha ny marina, ny fepetra mazava ao amin’ny Lalàmpanorenana dia tsy ilàna fivoasana;
Satria anefa voatery ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana hamaly ny fangatahana fivoasana izay mikendry ny hampandinihana ny hevitry ny mpanao Lalàmpanorenana ny amin’ny antony nampidirana ao amin’ny Lalàmpanorenana ny tsy maintsy hanatrehana fivoriana sy ny fanafoanana tambinkarama;
Satria ny fepetra ao amin’ny Lalàmpanorenana dia manamafy ny fenitra momba ny demokrasia isian’ny fisoloan-tena, ny fandraisana anjaran’ny antoko pôlitika maro ary ny fisaraham-pahefana; koa ho fampiharana ireo fenitra ireo dia notoloran’ny Lalàmpanorenana ny fahefana hanao lalàna ny Parlemanta izay ahitàna ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona;
Satria araka ny andininy faha-6 amin’ny Lalàmpanorenana: “Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefana rehetra no masimandidy ka mampiasa izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara, mivantana na tsy mivantana na koa amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy misy ampahany amin’ny vahoaka na olon-tokana mahazo manendry tena hampiasa izany fahefana feno izany”;
Satria raha vao voafidy ny solombavambahoaka dia antsoina hanao ny asan’ny mpanao lalàna sy asa fanarahamaso hiarovana ny tombontsoan’ny besinimaro;
Koa raha tafiditra ao amin’ny faritra ankapobeny momba ny fanaovana lalàna ny asa fanaovan-dalàna, ny asa fanarahamaso kosa dia mikasika ny asan’ny Governemanta;
Satria ary ny solombavambahoaka, izay voafidy tamin’ny alàlan’ny latsabato mivantana ataon’ny daholobe, dia mandray anjara amin’ny fampiharana ny fahefana feno izay ny vahoaka no tompony;
Satria, raha jerena ny maha zava-dehibe ny andraikiny, ny solombavambahoaka dia manana sata manokana natao mba hahazoany manatanteraka ny andraikiny ankahalalahana ary mba hitandroana hatrany ny fahaleovantenany;
Satria, andaniny, ny fiantohana ny fahaleovantenan’ny solombavambahoaka dia atao amin’ny fiarovana ankapobeny amin’ny alàlan’ny tombon-jo amin’ny tsy maha tomponandraikitra sy tsy azo tohinina hita ao amin’ny andininy faha-70 amin’ny Lalàmpanorenana, ka izany dia noho ny hevitra naposaka sy latsabato natao na fanaovana heloka mandritra ny fotoam-pivoriana;
Ary, ankilany, ny fiantohana ny fahaleovantenan’ny solombavambahoaka dia mila fepetra miaro azy tsy ho voafatotry ny tombontsoan’ny olontsotra sy ny an’ny fahefam-panjakana ary mba hananany fari-piainana amin’ny tokony ho izy ;
Ary ny fanomezana tambikarama ho an’ny solombavambahoaka dia anisan’ireo fepetra voalaza eo ambony ireo;
Satria tokoa mantsy, araka ny andininy faha-68, andàlana voalohany amin’ny Lalàmpanorenana: “Tsy azo ampirafesina amin’ny andraikitra hafa maha olomboafidm-bahoaka sy izay mety ho fisahanana asam-panjakana hafa afa-tsy ny fampianarana ny asan’ny solombavambahoaka”;
Satria ho setrin’ny sata manokana omen’ny Lalàmpanorenana ny solombavambahoaka tsirairay avy mba hanamafisana ny fahaleovantenany, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny fiainan’ny Antenimiera izy;
Ary ny fanefa hanatrika fivoriana dia raisina ho toy ny fanefa arak’asa;
Satria hita fototra fa ny fampiasana ny fahefana omena ny Antenimierampirenena dia mila ny fandraisan’anjaran’ny solombavambahoaka izay betsaka indrindra, indrindra mandritra ny fotoam-pivoriana sy eo amin’ny ambaratongan’ny asan’ny tantenimiera, ka singanina amin’izany ny asan’ny vaomiera maharitra;
Satria anefa tsapa nandritra ny fotoana fanaovan-dalàna nifandimby fa misy ny tsy fanatrehana ary mihamahazo vahana ao amin’ny Antenimiera izany, tsy fanatrehana mety hanembantsembana ny fandehanan-draharaha ara-dalàna ao amin’io Andrimpanjaka io sy mampien-danja ny fahefana misolotena ;
Koa amin’ny alàlan’ny fahefana misolo tena, ny tantenimiera tsirairay dia tsy mandray baiko na toromarika avy amin’ny mpifidy nandatsabato ho azy na avy amin’ny antoko pôlitika nanolotra azy;
Satria ekena fa ny solombavambahoaka dia heverina fa manao ny asany araka ny eritreriny sy amin’ny fanajana ny fitsipi-pitondran-tena; koa amin’io indrindra ary eo amin’ny adihevitra anivon’ny Andrimpanjakana, manana fahalalahana hiteny ny haneho ny heviny izy ary handatsa-bato amin’izay heveriny fa mifanandrify amin’ny tombontsoan’ny daholobe, fa kosa mitaky ny fanatrehany ny fotoana voatondro ny fampiharana ireo fahafahana ireo;
Koa mba hatrarana ny tanjona tsara dia ny tena fanatrehan’ny solombavambahoaka betsaka indrindra na ny fotoam-pivoriana na ny fivoriana mifandraika amin’izany no nahatonga ny mpanao Lalàmpanorenana nampisongadina manokana ny fanefa hanatrika fivoriana sy ny fanafoanana ny tambikarama raha tsy misy fanamarinana ny tsy fahatongavana;
Satria, raha ny tena izy, ity zavatra ity dia tsy fitsipika vaovao fa fepetra efa nisy tao amin’ny fitsipika anaty mifehy ny Antenimierampirenena izay tsy dia nisy fampiharana ara-bakiteny hatramin’izay;
Satria ny fampidirana io fitsipika io anaty Lalàmpanorenana dia mba hanomezana andraikitra bebe kokoa ny solombavambahoaka sy ny rafim-pitantanana dia ny Birao maharitra ka izy ireo, amin’izay manandrify azy avy, dia tsy maintsy manaja ny fepetra voalazan’ny Lalàmpanorenana ary tsy maintsy mandray fepetra entitra;
Satria na manao ahoana na manao ahoana, ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny andininyn faha-68, andàlana faha-4, amin’ny Lalàmpanorenana, ny tsy fahatongavana tsy misy fanamarinana ihany no manafoana avy hatrany ny tambinkarama;
Koa vokatr’izany, andaniny, dinihin’ny Birao maharitra, araka izay voasoratra ao amin’ny fitsipika anaty mifehy ny Antenimiera , ny fialan-tsiny atolotra solombavambahoaka ary entiny hanamarinana ny tsy fahatongavany;
Ary, ankilany, raha misy tsy fahatongavana tsy misy fanamarinana, mihatra avy hatrany ny fanafoanana ny tambinkarama, izany hoe, ny fampiharana izany dia tsy ilàna ny hevitry ny Birao maharitra na vaomiera maharitra, na latsabato amin’ny fivoriana itambarambe, na fanapahan-kevitra hafa mialoha avy amin’ny fahefana mpanatanteraka;
Satria, farany, ny tanjona tian’ny mpanao Lalàmpanorenana tratrarina dia ny hampanjaka fifehezana anjakan’ny feon’ny fieritreretany , hitandro ny fitokisana napetraky ny olompirenena amin’ny solombavambahoaka, hanaja ny Andrimpanjakana ary, noho izany, hanamafy ny fahatokisan’ny olona azy, ny fahombiazany ary ny voninahiny;
Noho ireo antony,
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mihevitra fa :
Andininy voalohany.- Tsy maintsy ampiharina ara-baki-teny ny fepetra voalazan’ny andininy faha-68, andàlana faha-4 amin’ny Lalàmpanorenana.
Andininy faha-2.- Ny fanefa hanatrika fivoriana dia fanefa fandraisana anjara amin’ny asa rehetra voatondro hatao mandritra ny fotoam-pivoriana.
Andininy faha-3.- Ny tsy fahatongavana tsy misy fanamarinana rehetra dia mitarika avy hatrany ny fanafoanana ny tambinkarama mifanandrify amin’izany tsy fahatongavana izany.
Andininy faha-4.- Havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika ity hevitra ity.
Nifampidinihana araka izany tamin’ny fotoam-pitsarana tsy ampahibemaso natao tao Antananarivo ny alarobia enina ambin’ny folo may taona fito amby roarivo, tamin’ny folo ora maraina, ka anisan’ny tao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :
Andriamatoa RAJAONARIVONY Jean Michel, Filoha
Andriamatoa IMBOTY Raymond, Mpanolotsaina Avo Zokiolona
Ramatoa RAHALISON na RAZOARIVELO Rachel Bakoly fony mpitovo, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RABENDRAINY Ramanoelison, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa ANDRIAMANANDRAIBE RAKOTOHARILALA Auguste, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa RASAMIMANANA na RASOAZANAMANGA Rahelitine fony mpitovo, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RABEHAJA – FILS Edmond, Mpanolotsaina Avo
Andriamatoa RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Dieudonné, Mpanolotsaina Avo
Ramatoa DAMA na RANAMPY Marie Gisèle fony mpitovo, Mpanolotsaina Avo
ary natrehin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben’ny Firaketan-tsoratra.
Avis n°01-HCC/AV du 16 mai 2007
sur l’interprétation de dispositions constitutionnelles
LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE,
Vu la Constitution ;
Vu l’ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ;
Les rapporteurs ayant été entendus ;
Après en avoir délibéré conformément à la loi ;
Considérant que par lettre n°078-AN/P/SG du 1er mai 2007, le Président de l’ Assemblée Nationale consulte la Haute Cour Constitutionnelle pour donner son avis sur l’interprétation des dispositions de l’alinéa 4 de l’article 68 de la Constitution et ce, conformément aux dispositions de l’article 115 de la Constitution ;
Considérant que la saisine, effectuée par un Chef d’Institution, est régulière et recevable ;
Considérant qu’aux termes des dispositions de l’article 68 de la Constitution en son alinéa 4 : « Il (le député) est astreint à l’obligation d’assiduité. En cas d’absence injustifiée, l’indemnité est supprimée de plein droit » ;
Considérant qu’en principe, des dispositions constitutionnelles claires et précises ne donnent pas lieu à interprétation ;
Que toutefois, la juridiction constitutionnelle est amenée à satisfaire à la demande d’interprétation tendant à faire examiner l’esprit du constituant sur les raisons de la constitutionnalisation de l’obligation d’assiduité et de la suppression d’indemnité ;
Considérant que les dispositions constitutionnelles ont consacré les principes de la démocratie représentative, du pluralisme politique ainsi que de la séparation des pouvoirs ; qu’en application de ces principes, la Constitution attribue au Parlement composé de l’Assemblée Nationale et du Sénat la fonction législative ;
Considérant qu’aux termes des dispositions de l’article 6 de la Constitution : « La souveraineté appartient au peuple, source de tout pouvoir, qui l’exerce par ses représentants élus au suffrage universel direct ou indirect ou par voie de référendum. Aucune fraction du peuple ni aucun individu ne peut s’attribuer l’exercice de la souveraineté » ;
Considérant qu’une fois élu, le député est appelé à exercer une fonction législative, d’une part, et une fonction de contrôle pour la défense de l’intérêt général, d’autre part ;
Que si la fonction législative rentre dans le cadre général du processus d’élaboration de la loi, la fonction de contrôle, quant à elle, s’exerce sur l’activité gouvernementale ;
Considérant ainsi que le député, élu au suffrage universel direct, participe à l’exercice de la souveraineté qui appartient au peuple ;
Considérant que tenant compte de l’importance de la fonction de député, le constituant l’a doté d’un statut individuel destiné à lui permettre d’exercer librement ses attributions et d’assurer en tout moment son indépendance ;
Considérant, d’une part, que la garantie de l’indépendance du député s’effectue par le biais d’une protection générale à travers les immunités constituées par les régimes de l’irresponsabilité et de l’inviolabilité prévus à l’article 70 de la Constitution et ce, dans le cadre respectivement d’émission d’opinion et de vote ou de commission d’infraction pénale pendant les sessions ;
Que, d’autre part, la garantie de l’indépendance du député nécessite aussi des mesures lui permettant de se libérer des intérêts des particuliers et de ceux des autorités publiques ainsi que de lui assurer un niveau de vie décent ;
Que l’allocation d’indemnité au député compte parmi les mesures sus-visées ;
Considérant en effet qu’aux termes des dispositions de l’article 68 de la Constitution en son alinéa premier : « Le mandat de député est incompatible avec l’exercice de tout autre mandat public électif et de tout emploi public excepté l’enseignement » ;
Considérant qu’en contrepartie d’un statut privilégié accordé à chaque député par la Constitution et en vue de renforcer son indépendance, il est soumis à une obligation de participer à la vie de l’ Assemblée ;
Qu’il s’agit d’une obligation revêtant un caractère professionnel qui est l’obligation d’assiduité ;
Considérant qu’il est constant que l’exercice des compétences attribuées à l’Assemblée Nationale requiert la participation du plus grand nombre de députés plus particulièrement lors des sessions et à tous les stades des travaux parlementaires , notamment aux travaux des commissions permanentes ;
Considérant cependant que force est de constater qu’au fil des législatures successives, l’absentéisme tend à s’installer et à se pérenniser au sein de l’Assemblée, absentéisme susceptible d’entraver le fonctionnement normal de l’Institution et de dévaloriser le mandat représentatif ;
Que par le mandat représentatif, chaque parlementaire n’a pas d’ordre ni instruction à recevoir des électeurs qui l’ont élu ou d’un parti politique qui l’a investi ;
Que certes, le député est censé exercer son mandat suivant sa conscience et dans le respect des règles d’éthique ; qu’à ce titre et à l’occasion des débats au sein de l’Institution, il a la liberté de parole et d’opinion ainsi que celle de voter dans le sens qu’il estime correspondre à l’intérêt général, mais que l’exercice de ces libertés requiert sa présence aux séances programmées ;
Que c’est dans le but utile d’aboutir à la présence effective du plus grand nombre de députés tant aux sessions qu’aux séances qui y sont rattachées que le constituant a tenu à insister spécialement sur l’obligation d’assiduité et la suppression du droit à l’indemnité en cas d’absence injustifiée ;
Qu’en fait, il ne s’agit pas d’une nouvelle règle mais de dispositions déjà existantes dans le règlement intérieur de l’ Assemblée et qui n’ont pas toujours été systématiquement appliquées ;
Que la constitutionnalisation de ladite règle vise à responsabiliser davantage et le député et l’organe d’administration qu’est le Bureau permanent de l’ Assemblée qui, chacun en ce qui le concerne, doit respecter les dispositions constitutionnelles et doit prendre les mesures qui s’imposent ;
Considérant qu’en tout état de cause, en application des dispositions de l’alinéa 4 de l’article 68 de la Constitution, seule l’absence injustifiée entraîne de plein droit la suppression d’indemnité ;
Qu’il en découle, d’une part, que les excuses présentées par un député et servant de justification de l’absence sont appréciées par le Bureau permanent conformément aux prescriptions du règlement intérieur de l’ Assemblée ;
Que, d’autre part, en cas d’absence injustifiée, la suppression d’indemnité s’opère de plein droit, c’est-à-dire que son application ne nécessite ni l’appréciation du Bureau permanent ou d’une commission permanente, ni le vote en séance plénière, ni un acte préalable du pouvoir exécutif ;
Considérant, enfin, que l’objectif recherché par le constituant consiste à instaurer une discipline dictée surtout par le devoir moral d’honorer la confiance accordée par les citoyens au député, de respecter l’ Institution et, par conséquent, de renforcer sa crédibilité, son efficacité et sa dignité ;
En conséquence,
La Haute Cour Constitutionnelle émet l’avis que :
Article premier.- Les dispositions de l’article 68, alinéa 4, de la Constitution, doivent s’appliquer restrictivement.
Article 2.- L’obligation d’assiduité consiste en une obligation de présence à tous les travaux programmés pendant la session.
Article 3.- Toute absence injustifiée entraîne de plein droit la suppression de l’indemnité correspondant à ladite absence.
Article 4.- Le présent avis sera publié au journal officiel de la République.
Ainsi délibéré en audience privée tenue à Antananarivo le mercredi seize mai l’an deux mil sept à dix heures, la Haute Cour Constitutionnelle étant composée de :
M. RAJAONARIVONY Jean-Michel, Président
M. IMBOTY Raymond, Haut Conseiller - Doyen
Mme RAHALISON née RAZOARIVELO Rachel Bakoly, Haut Conseiller
M. RABENDRAINY Ramanoelison, Haut Conseiller
M. ANDRIAMANANDRAIBE RAKOTOHARILALA Auguste, Haut Conseiller
Mme RASAMIMANANA née RASOAZANAMANGA Rahelitine , Haut Conseiller
M. RABEHAJA-FILS Edmond, Haut Conseiller
M. RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Dieudonné, Haut Conseiller
Mme DAMA née RANAMPY Marie Gisèle, Haut Conseiller
et assistée de Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Greffier en chef.
SAFLII:
|
Terms of Use
|
Feedback
URL: http://www.saflii.org/mg/cases/MGHCC/2007/4.html